Mankahala ny ratsy

 

« Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. » (Romana 12:9)

Io no tenin’ANDRIAMANITRA izay hanorenan-tsika izao hafatra izao. Dia miainga avy amin’izany ihany koa ny lohateny hametrahan-tsika izao hafatra izao.

Ny fifikirana amin’ny tsara, ary ny fankahalana ny ratsy no mahantanteraka ny fitiavan’ANDRIAMANITRA eo amin-tsika. Izay rahateo ilay andinin-tsoratra masina teo. Amin’izao fotoana izao ry havana dia mitady aim-panahy tokoa ny olona, tsikaritra ombieny ombieny izany, eny amin’ny toerana rehetra. Indrindra ny toeram-pivavahana moa izany. Ary isaorana an’ANDRIAMANITRA fa manomboka efa miha-liana ny olona, na dia amin’izao vanim-potoana efa sarotsarotra izao aza, mitady an’ANDRIAMANITRA. Rehefa mba mandeha eny anie ianao, dia eny amin’ny fiaraha-monina, toeram-piasana, eny ambony fiara… Dia efa tsikaritra eny matetika fa manomboka mihaino « radio » aram-pilazantsara ny olona. Izany hoe liana izy izany mitady an’ANDRIAMANITRA, zava-dehiba anie izany ry havana e ! Tena zava-dehibe izany, ary tena mampi-te hisaotra an’ANDRIAMANITRA mihintsy ny amin’ny fisian’ireny « radio » aram-pilazantsara ireny eto amin’ity firenena malagasy ity. manaraka izany koa, efa betsaka ireo fiangonana izay efa tsy mionona intsony amin’ny andro alahady na andro asabotsy, ny karazam-piangonana izay hitanao, na ny zokiny na ny zandriny, efa mba mamoha ny varavaram-piangonana izy mba hivavahan’ny olona, ary misy olona liana tonga ao. Hitanao amin’izany fa mitady an’ANDRIAMANITRA ny olona ary tena mampi-te hisaotra an’ANDRIAMANITRA izany ry havana. Ny tiako ho resahana anao amin’izany, mpanompon’ANDRIAMANITRA izaho sy ianao, mivavaka ho an’ny firenena ianao, mivavaka ho an’ny vahoaka malagasy isika ; ary mampahery izany satria azo lazaina fa misy ny atao hoe valim-bavaka.

Anisan’ny anentanako anao dia izao, rehefa mivavaka dia izao, araho ilay izy. Aza mivavaka fotsiny dia mijanona eo iny. Ataovy toy ny an’i Jakoba rehefa nivavaka izy nitolona tamin’ANDRIAMANITRA.« Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. » (Genesisy 32:27) Hitanao izany, ny dikan’izany dia hoe arahina ilay izy ; nanao ahoana no niafarany ? Hatraiza ? ANDRIAMANITRA ry havana no mahalala, ary isaorantsika an’ny Tompo ny amin’izany rehetra izany, liana ny olona ! Mahafinaritra ihany koa tsy izay ihany, efa manomboka miroso amin’ny lalindalina ny ankamaroany satria betsaka ihany koa ny olona no efa tonga saina ; ka na dia any amin’ny toerana tsy ampoizinao aza, izaho ry havana dia variana, nisy trangan-javatra iray izay tsy nampoiziko, fa misy olona manao « cellule de prière » na vondrom-bavaka. Tsy nampoiziko ! Anisan’ny sehetra iray, raha tsy hiresaka raha tsy ity fikambanan’ny mpitantana sy ny mpiasa mandinika ny baiboly ity isika an, dia izao, anisan’ny fenitra iray, na tanjona iray ny mba hisian’ny vondrom-bavaka any amin’ny toeram-piasana tsirairay avy. Fa ilay iray izay tsy nampoiziko hoe hay ve misy olona mivavaka, na ilay olona mivavaka aza tsy nampoiziko. Hay ve itony olona itony koa mivavaka ! Ny tiako ho resahana aminao, gaga aho ! Satria mahagaga ANDRIAMANITRA ; izany anie no maha ANDRIAMANITRA an’ANDRIAMANITRA e ! Efa voasoratra, ny anarany hatao hoe : « MAHAGAGA » Tsy ampoizinao, satria nanara-maso ny vavaka ianao sy ny fiainam-panahinao isan’andro ; dia nipoitra ilay izy ataon’ANDRIAMANITRA hitanao, dia hoy ianao hoe « aleloia ! Misaotra Anao aho JESOSY ! » Tiako ho tarihina ihany ianao, izao anefa : androany mantsy ny lohateny dia hoe «  mifikira amin’ny tsara, mankahala ny ratsy », mba hahitanao izany hoe fitiavan’ANDRIAMANITRA ; ampahitan’ny Tompo zavatra be dia be izany ianao, mba tian’ny Tompo hanaporofoana eo amin’ny fiainanao manokana tsirairay avy, ampahitan’ny Tompo hoy aho. Mety zavatra ratsy io araka ny eritreretinao, ny tsara moa dia efa arahabaina raha teo fa tsara, tsy hiadian-kevitra iny. Fa ireo zavatra roa tonta izay mpitranga eo amin’ny fiainan’ny olona ireo ry olona a ; na ilay zavatra ratsy aza, dia izao foana no tenin’ANDRIAMANITRA hoe : « Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. » (Romana 8:28) Tadidio izay, nahafinaritra mihintsy ilay tari-dàlana nentin’ilay mpanompon’ANDRIAMANIRA teo. Voaresaka tao daholo na ny ota aza. Voaresaka tao izany ilay atao hoe ratsy ; voaresaka tao ilay atao hoe tsara, tsy hamela anao ho irery JESOSY ; tsara anie izany e, voaresaka tao ny atao hoe fitiavan’ANDRIAMANITRA. Raha vao nanomboka nihira isika dia izay no nohiraintsika teo, «  endrey ANDRIAMANITRA ny fitiavanao ahy. » Mahavariana ry havana ity JESOSY ity, tsy fantatro aloha ianao rehefa mba mamonjy ny fotoana tahaka izao, fa eto moa isika dia izao no ambara, fiainana, ary ampianarina izany tsikelikely isika, io tsy tonga dia hoe hainao ny miaina ity baiboly ity indray mipoaka. Tsy tonga amin’izany ianao, fa tenin’ANDRIAMANITRA manamarina izany : « Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro. » (Ohabolana 4:18) Hitanao, izany hoe mandeha tsikelikely, miakatra tsikelikely. Fa tsy midina kosa aloha ilay izy fa miakatra e, « mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy; » (Efesiana 4:13) Ho lehilahy lehibe tahaka an’i JESOSY. Satria Pilato rehefa tsy hitany izay hatao dia hoy izy hoe : « ô ry vahoaka a, indro ny lehilahy ! » Izay no tenin’ANDRIAMANITRA  tamin’i JESOSY. Ary izay no tanjontsika rehetra, ka na vehivavy aza ianao dia izao ihany e : « aoka hitomban-dahy » hoy ny tenin’ANDRIAMANITRA.

Hazavaina tsara mba ho azoanao, tiako hampidirina tsara ianao ny amin’ny hoe isika anie rey olona tena tian’ANDRIAMANITRA e ! Tsy fanatatro ao anatin’ny fonao ao raha mba mangorakoraka amin’izany aloha e, fa araka ny nambarako anao vao haingana teo, rehefa manao ireny hira ireny isika, dia misaintsaina ny fitiavan’ANDRIAMANITRA anao ianao, izaho koa ! Fa tsapako fa tena misy aina mihintsy ao anaty ao, izay ilay ambaran’ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe : « lalàn’ny fanahin’aina » ANDRIAMANITRA mahay an’izay eo amintsika tsirairay avy ; satria ilay FANAHY MASINA ao anaty, hainy io ry havana. Mamelombelona ny olona io, ary mampahery ny olona io, izay ilay FANAHY MASINA ao anaty ao. Fitiavan’ANDRIAMANITRA izany, ary niresadresaka an’izany isika tato ho ato, ary tiako ho hitarina lavidavitra io satria, raha tsy tena mahatsapa an’izay ianao, dia ho sahirana ianao ny handinika an’ilay hoe, makahalà ny ratsy, raha tsy tsapanao ny fitiavan’ANDRIAMANITRA.

Nisy fotoana aho ry havana, tena nahatsapako izany hoe fitiavan’ANDRIAMANITRA lalina tao anatiko tao. Resaka toe-panahy ity resahako anao ity. Izao no ambarany any amin’ny Timoty any mantsy : « Fa misy tombony lehibe tokoa ny tœ-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana. » (1 Timoty 6:6) Izany hoe ilay fitiavana ao anaty io izany, dia tsy tian’ANDRIAMANITRA fotsiny hikobona ao. Fa arahina fiainana io, ary ilay fiainana midika fa hetsika.

Sendra harivariva aho ry havana, nanao fandaharana teny amin’ny onjam-peo teny. Rehefa eny moa dia fantatsika tsara fa tsy mba misy hoe andraso kely aloha, aleo ho tara kely antsak’adiny na hoe aleho ho tara dimy minitra, fa rehefa tonga ny lera, rehefa hoe amin’ny 7 ora sy sasany, dia rehefa tonga izay dia manomboka ny fotoana. Rehefa niandry fiara aho anefa nandritra ny minitra vitsivity handehanana mankeny, na « taxi » na fiara, tsy nahita mihintsy. Tsy nisy, nahagaga ahy mihintsy ! ahoana hoy aho ity ry JESOSY, fa tsy mety izao zavatra izao. Ao anatiko ao anefa dia hizara fitiavana ho an’ny olona, satria ny tenin’ANDRIAMANITRA izay mandeha amin’ny « radio », fantatrao moa ny « radio », io an tonga eo am-pototsofin’ny olona na matory aza izy. Izao izany tsy mila mankaty am-piangonana fa ilay atao hoe « livraison à domicile », ka na dia eo am-pivarotana eo aza izy, mandre ny tenin’ANDRIAMANITRA. Ny fahatsapako an’izany indrindra, tao anatiko tao, nanapa-kevitra aho ry havana, 30mn sisa dia higadona ilay fotoana, inona no hataoko ? Izaho anefa any amin’ny km maromaro. Lasa aho ry havana, niezaka, tapa-kevitra tao anatiko tao, handeha aho ry JESOSY hiainga, amin’ny tongotro roa, fa ny fanapahan-kevitra fotsiny no ela, tonga tamin’ny fotoana aho teo amin’ilay toerana. Tiako horesahana anao, satria nisy hetahetam-pitiavana, tsy moramora izany lazaiko anao, fa nisy hetahetam-pitiavana tao anatiko tao, satria ilay tenin’ANDRIAMANITRA hambara io, manindrona fon’olona, manova. Ary raha arahana fitiavana izy, fa raha tsy amin’ny fitiavana anie dia lasa kipantsona mikarantsana e ! Te hanazava anao tsara ilay fitiavana aho satria izay no tanjon’ireto anankiroa ireto. Ilay fitiavana ao anaty,  tsy moramora anie izany hoe mitia e ! Ahoana no fomba nitiavan’i JESOSY ahy ? samia anie mba mikipy kely ianao e, dia mandiniha 1 mn fotsiny, ahoana no nitiavan’i JESOSY ahy manokana ? Tsotra ihany, alatsako ny rà-ko hoy JESOSY, hafoiko ny aiko ho anao. Ny tena fitiavana dia : « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13)

Santionany izany, fa ny tiako hambara dia ity fitiavana ity be mpiresaka rey olona a ! Fa rehefa tena manao fampiharana vitsy e. Tsy moramora anie izany hoe raha misy mamely ny takolakao havanana dia omeo azy koa ny havia ! Mba eritrereto anie izany e, ahoana ? Izaho ve efa nasianao ny totohondry ny iray, dia mbola homeko koa ny iray ? Tonga amin’ny nataon’ilay mpanompon’ANDRIAMANITRA iray izay, ianao no nitory tamiko fa hoe raha misy mamely ny havanana dia omeo koa ny havia. Avia ary eto hoy ilay rangahy fa hasiako ! Ao ary hoy ilay mpanompon’ANDRIAMANITRA asio ary, nasiany ny iray, vita teo izany, fa tao am-piangonana moa izany, vita ! Rehefa nivoaka amin’izay, vita ny fotoam-pivavahana, lasa daholo ny mpiangona dia nantsoiny ilay rangahy namely azy, avia amin’izany ianao, voanao ny havanana iny an, avia amin’izay fa tsy manaiky aho, tsy homeko ny havia sady hasiako koa ianao. Ny tiako ho resahana anao, tantara kely ohatra ny mampihomehy izany, fa eo amin’ny fampiharana an’io fitiavana io rey olona a, samia mba mikarokaroka isika. Izao zavatra mitranga eto Madagasikara, maneran-tany izao anie lazaiko anao e, mararim-pitiavana daholo anie ireo olona ireo e ! Omeo aho e ! Izany, vao mihiratra ao am-pandriana ao, ny ho ahy ihany. Ao am-pandriana ao vao mieritreritra amin’ny 12 ora alina, amin’ny 1 ora maraina : ahoana izao no hahazoako ? Ny ho ahy ihany, mararim-pitiavana hoy aho lazaiko anao.

« Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. » (Romana 12:9)

ANDRIAMANITRA ihany ry havana no mahay an’izany a, fa tsy hain’ny olona izany. Ny an’ny olona misy hoe « ateriko alao ». Fomban’ny malagasy, raha manome 500 fmg aho, rehefa tonga ny « tour »-nao ampitomboinao 1000 fmg iny. Izany hoe miha-miakatra, izay ilay fomba, tsy fantatro na efa nahita izany ianao,  fa izaho dia efa nahita. Soratana amin’ny taratasy ao ny anaran’ilay olona, ohatrinona no nomeny 2000 ar, dia vakiana, ah ! Tsy maintsy ampitomboina kely io fa manala baraka. Ary rehefa io no eo amin’ny olona, mararim-pitiavana, miteraka zavatra be dia be io rey olona a ! Rehefa manomboka mararim-pitiavana ny olona, tsy eo ANDRIAMANITRA ; « Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitœtra amin'ny fitiavana no mitœtra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. » « Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao. « Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana. » (1 Jaona 4:16-18) Averiko aminao tsara, rehefa tsy eo ny fitiavana dia tsy eo ANDRIAMANITRA, dia samia mametraka fanontaniana amin’izay ianao, mazava ho azy, fa ny olona tsy misy an’ANDRIAMANITRA dia tsy misy fitiavana.

Ary be dia be ny kristianina voafitaka, ny fomban ‘ny devoly, haintsika rehetra ity, satria fanaonay taloha ; « doniko tapany dia mandoa erany » izany ve rey olona ! Ary izay no « système » an’ny devoly eto amin’ity izao tontolo izao ity. Mody hoe ao ampiana ianareo hanao sekoly, ao ampiana ianareo hanao paompin-drano, ao ampiana ianareo… fa ao ambadik’izay hein… ianareo no mahalala. Misy takalony be dia be ao, omeo anay ilay « carrière » ary, omeo anay ilay izao… Mody doniny tapany fa mandoa erany ianao. Ary izay no ampitandremana antsika, fa fomba fanaon’ny devoly izany eto amin’ity izao tontolo izao ity.

Be dia be anie ny olona no mitady harena, amin’ny alàlan’ny vato… mikaroka zavatra ety ivelany, ara-materialy hoy isika izay. Omen’ny devoly tapany ianao, nahazo ianao, fa tandremo fa asain’ny devoly mandoa erany ianao rehefa avy eo. Ary ny tena zava-doza ilay erany tsy mety ritra mandrakizay, any amin’ny helo, izany no fitiavana ety amin’ity izao tontolo izao ity. Any amin’ny helo no iafarany, hoy ny devoly hoe avia aty, hay izao no tadiavinao…avia aty aminay, miresaka kely aloha isika, raha vonona ianao ka hanaiky an’ity fanekena ity ; dia izao mahatsangana magazay rahampitso dia rahampitso ianao, omena ity fiara ity koa ho fanampiny, omena an’izao…Fa izao soniavo ity an fa hiaraka mankany amin’ny helo isika. O rey olona a, vanim-potoana izao, ampahirato tsara ny maso. Fitiavan’izao tontolo izao mamitaka, firifiry ny tovolahy sy tovovavy tratry ny fahadisoam-panantenana. Mahatonga ny mpamono tena ho betsaka, dia tovolahy sy tovovavy mampalahelo. Satria diso fanantenana noho ny fitiavana ; tratran’ny tapany, ampadoaviny erany ianao. Tiako ho resahana anao an, ahoana ary anefa no vaha olana ? Betsaka ihany anie ny olona te hivavaka e ; isaorako ny Tompo, te hivavaka izy any amin’ny tokantranony, mba ho tahian’ANDRIAMANITRA ny fianakaviany, ny ankohonana ao an-trano, mihitatra mankany amin’ny mpiray tampo, dada sy neny sy ry dadatoa sy nenintoa…Te hivavaka ny olona, be dia be ny olona no mba te hitady fahatsarana ho an’ny orin’asa, fitahiana ho an’ny orin’asa. Tena marina eo aminao ve ilay fitavana ? Fa raha ilay fitiavana nolazaiko anao teo, dominy tapany ianao fa mandoa erany. Banky rompitra eo no iafaranao, hitarika anao any amin’ny helo io. Fa inona ary ry havana no tena vahaolana. Jereo ity ary :

1) Voalohany : ho anao vao manomboka : izao ilay tapany manao hoe : mifikira amin’ny tsara. Raha ohatra ka te haka ilay tena fitiavana ianao. Satria ny fitiavan’ANDRIAMANITRA dia izao no nambarany : amin’ny tsy fihatsarambelatsihy, manolotra ny ainy hamonjy ny saikazany, tsy mitady tambiny anie izany e ! Angaha moramora izany hoe manolotra ny ainy, moa tsy izany ve no nataon’i JESOSY ? Natolony ny ainy hamonjy ahy, nahatonga ahy ho afaka mitory teny, hizara ny fahasoavan’ANDRIAMANITRA tahak’izao. Ka n’inona zavatra mitranga eo amin’ny fiainako, dia hanao tahaka an’i Paoly Apostoly aho, ianao koa, « Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. » (Filipiana 1:21). Mora tenenina izany an, fa manao ahoana eo amin’ny fampiharana ? Ho anao vao manomboka, eny na ny tranainy koa aza mila mandinika tsara, mifikira amin’ny tsara.

Misy tenin’ANDRIAMANITRA mora tadidy be ity : « Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hœ: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. » (Lioka 18: 18-19) Mifikira amin’ny tsara ! Raha hitady ny tsara ianao, dia atodiho amin’izay ny masonao sy ny eritreritrao manomboka androany. ANDRIAMANITRA NO TSARA, FITIAVANA TSY MIHATSARAVELATSIHY. JESOSY mivantana no nilaza an’io, filazantsara io Lioka 18 : 18-19 io. Fototra napetraky JESOSY io, ka raha hametraka fototra ianao mba ho be fitiavana, manomboka androany, jereo anie izao zavatra nitranga izao e : averiko aminao ny fitiavan’i JESOSY. Tany amin’ny testamenta taloha an, nisy tantara roa nifakaiky Eksodosy  toko faha-32 sy toko faha- 34, mikasika ny amin’ny vato fisaka roa izy ireo, izay nomen’ANDRIAMANITRA an’i Mosesy. Tamin’ny voalohany rehefa tao amin’ny tendrombohitry Sinay Mosesy naka ny vato fisaka misy ny sora-tànan’ANDRIAMANITRA, hoy isika hoe ny didy folo, ny didin’ANDRIAMANITRA. Dia izao, azony soa aman-tsara izany, mba hitondrana ny zanak’Israely ho any amin’ny tany Kanana ; dia izao, rehefa ela i Mosesy no tao dia tsy hitan’ny zanak’Israely izay hatao fa nasainy hanao sampy i Arona. Hoy izy ireo mantsy an’i Arona hoe : «  manaovà andriamanitra ho anay fa ny Mosesinao tsy hita izay nalehany. » Inona anefa no nanamboarany ilay ombalahy, ny kavina volamena teny amin’ny sofin-dry zareo, taiza no nahazoany an’ireo ? Tany amin’ny egyptianina rehefa nivoaka tao izy. Dia nahita fitia teo anatrehan’ny egyptianina, dia nahazo volamena sy volafotsy be dia be dia nentin-dry zareo nandeha. Dia nanaovany kavina teny amin’ny sofiny, nodonin’ny devoly tapany ny zanak’Israely teo, jereo lasa andoa erany. Nieritreritra fa ilay volamena mba hitondra fitahiana, mba hitondra fahasoavana hoe hotahian’ANDRIAMANITRA fa ho any amin’ny tany efitra, fa tsia tsy izay no niafarany, fa lasa andriamanitra ilay volamena. Nangonina daholo ny kavina dia notefena, dia lasa ombalahikely hanidina. Dia io no andriamanitrareo. Nahagaga koa ry Arona dia lasa mpitandrina an’ilay andriamanitra tsy izy. Amin’izao ry havana jereo tsara, raha tsy mitandrina ny olona, izany anie no atao hoe sampy e ! Io zavatra eo aminao io ihany, io mamona tsy marina io ihany, ataonao ambony noho ANDRIAMANITRA io, dia io no atao hoe sampy tahaka ilay kavina norombotina. Samia mieritreritra, efa rentsika vao haingana izay tenin’ANDRIAMANITRA izay. Izay no atao hoe sampy. Ary izay no nahatonga an’ANDRIAMANITRA hamporisika anao : ANDRIAMANITRA ihany no tsara fa tsy ny kavim-bolamena. Tsy ny harena eo aminao, tsy izay fa ANDRIAMANITRA ihany. Dia inona no zavatra mitranga ? N’inona ataon’ny olona mihoatra noho ilay ANDRIAMANITR’i Abrahama, Jakoba, Isaka, dia sampy satria mamona tsy marina ireny. Dia inona no nitranga ? Notenenin’ANDRIAMANITRA i Mosesy hoe andana jereo ny vahoakanao fa manompo sampy, nivadika tamiko hoy JEHOVAH. Nidina Mosesy, jereny tokoa, mihorakoraka, mandihy, manompo andriamanitra tsy izy, ilay ombalahy kely volamena. Tezitra i Mosesy, nantontony ny vato fisaka. Jereo ry havana, inona no tandindon’izay ? Izaho sy ianao anie, dingana voalohany izao, raha ny hevitr’ANDRIAMANITRA sy ny tenin’ANDRIAMANITRA  tany am-piandohana rehetra no jerena, tokony ho lany ringana, ianao izay mandre ahy amin’izay fotoana izao, tokony ho lany ringana ho faty, satria nanota teo anatrehan’ANDRIAMANITRA tahaka ny zanak’Israely. Izaho sy ianao no tandindona ! Soa ihany fa nopotehina JESOSY, novakivakiana, satria tsy mahatanty fahotana ANDRIAMANITRA. Novakiana io, JESOSY io ry havana. Nalatsaka ny ràn’i JESOSY, nopotehina ny nofon’i JESOSY, noho ilay fahotana teo aminao. Henonao tsara izao hafatra izao, tandindona ihany ny Eksodosy, nopotehin’i Mosesy, novakivakiana ilay vato fisaka nisy ny didin’ANDRIAMANITRA. Satria nanota ny zanak’Israely, ataovy mazava aminao, maty ho anao JESOSY. Malahelo ny fanahinao ANDRIAMANITRA ary tiany handova ny paradisa ianao. Natolony JESOSY ho vakivakiana noho ianao, tiany hiverina Aminy.

Aza adino anefa , Eksodosy toko faha-34, tsy vakivaky teo fotsiny ilay vato, fa niteny indray ANDRIAMANITRA, manaovà vato tahaka ilay teo « copie conforme, copie collée. » Tsy miova. Dia ho soratana tahaka ilay soratra teo, tsy miova koa ny soratra. Izay ilay ambara ao amin’ny Hebreo  hoe : « Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Hebreo 13:8)Androany ry havana, ny ao anatin’ny fon’i JESOSY, ny hamonjy anao. Raha mbola tsy tsapanao ao anatinao ilay famonjena. Fa ny antony nanapotehana an’i JESOSY, dia mba ny hitondrany ny fahotanao.Mba handovanao ny paradisa raha manaiky ianao. Ary tsy nijanona maty tao am-pasana JESOSY fa nitsangana, tahaka ilay vato velona vaovao, izay nentin’ANDRIAMANITRA nitaritana ny zanak’Israely, ho tonga any amin’ny tany Kanana.

Satria vato vaovao, tsy miova, rehefa nitsangana tamin’ny maty JESOSY. Hafa mihintsy, izay ny olona rehefa mibebaka ry havana, toa an’i Saoly mpanjaka, rehefa nosoran’i Samoela izy, dia izao no ambaran’ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe : avia ianao ry Saoly, hosorana ny Fanahimasin’ANDRIAMANITRA amin’ny alàlan’ny tandroka misy diloilo, dia rehefa mirotsaka aminao ny Fanahy Masina, dia voaova ho vaovao ianao hoy IZY. Rehefa voaova ho vaovao ianao dia maminany amin’izay. Aty aoriana ry havana, nambaran’ny mpanompon’ANDRIAMANITRA vao tsy ela : « Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17) Ianao ve ry havana te ho feno fitiavana androany ? Mifikira amin’ny tsara, mba ho feno fitiavana tsy mihatsaravelatsihy ianao. Iza no tsara ANDRIAMANITRA, Iza no ANDRIAMANITRA ? JESOSY ihany io. Ekeo JESOSY ry havana, izay no tian’ANDRIAMANITRA hambara aminao. Tsy hainao ny mitia e, tsy moramora izany ! JESOSY io. Tsy hainao ny mivavaka, tsy haintsika izany, ANDRIAMANITRA no efa niteny« Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha. » (1 Jaona 4:19) ANDRIAMANITRA no tsy maintsy lohany ; ANDRIAMANITRA no atao hoe alfa sy omega. IZY no fiandohana, IZY no iafarana. Raha tsy IZY no ekenao ho Tompo sy Mpamonjy ny tenanao manokana e, nofinofy ihany ny anareo mivady, tiako ianao, fitiavana ara-nofo io, nofinofy ihany ny anao sy ny zanakao, ianao sy ny firaha-monina, fitiavanao ny mpiara-miasa, angaha moramora izany manao « cellule d’entreprise », tsy moramora izany mivavaka izany, raha tsy ao anatinao ny fitiavana an’ANDRIAMANITRA, tadidio izay, IO ilay mahay mitia fa tsy ianao. Ilay JESOSY KRISTY ao anaty, mahay mitia na dia ny fahavalo aza, mahay mivavaka na dia ho an’izay manenjika AZY ; ilay JESOSY ao anatin’ny olona.

Androany ry havana, hivavaka isika izao : « JESOSY ô, sady te ho tiavina aho no te hitia, hoy aho aminao hoe, mety efa ela ihany ianao no nanaraka ny fotoana fa tsy tapa-kevitra. Androany, banga aho JESOSY, hay Ianao ilay Fitiavana, te hanao ny tsara aho, hay Ianao ANDRIAMANITRA ilay Tsara. Midira ato anatiko, ity aho Tompo eo anatrehanao, ny fiainako manontolo, tsy nanombinana na ny kely aza, tiako ianao JESOSY, midira, ento ny fiainako, manomboka androany, ianao no mitantana ny diako. Misy làlana efa nomaninao ho ahy, làlam-baovao any an’efitra io, hahita loharano na dia any amin’ny tany karankaina aza. »

Ho antsika mpanompon’ANDRIAMANITRA ry havana, mankahalà ny ratsy mba hahafahanao mitia, fantatrao ny atao hoe mankahala ? Tsy fantatro aloha fa taloha aho aloha efa niaina izany dia haiko tsara e, fantatro tsara izany atao hoe mankahala, tsy misy iraisana mihintsy halako ianao, any ianao, izaho aty. Mazava tsara ity tenin’ANDRIAMANITRA ity, mankahalà ny ratsy, tsy misy azo anaovana tsikombakomba ry havana. Misy filazan’ny olona izay mantsy hoe : mba lainga masina iny e ! Aiza no misy an’izany lainga masina izany amin’ity baiboly ity, rehefa lainga dia lainga, hoy ilay  mpanomon’ANDRIAMANITRA izay, hoe iza no rain’ny lainga ? « Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitœtra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitœtra amin')] » (Jaona 8:44)

Izaho ve dia ho zanaky ny devoly, azafady ! Zanak’ANDRIAMANITRA amin’ny alàlan’i JESOSY aho. Tsy misy lainga masina izany. Tsy misy « compromis » ry havana eo amin’ANDRIAMANITRA a ! Mba mahavariana, anie, raha isaina isika rehetra ireo, manana asa daholo ny ankamaroany, izao anefa, firy no mahatsangana vondrom-bavaka ? Na mpikarakara tokatrano aza anie asa e, « entreprise » goavana be io tokatrano io. Miantsena, mamafa trano, mi-« organiser » mandamina ny rehetra rehetra ao angaha mora ! Orin’asa io, dia firy ianareo mpikarakara tokatrano ohatra, raha izay no asanao vehivavy, fantatro fa misy lehilahy mikarakara tokatrano. Dia mba firy no manao hoe : andao isika hanao vondrom-bavaka ho an’ny mpikarakara tokatrano ? Dia jereo, manao ahoana ilay fitiavana ao anatinao ao ? Ny ahy ramatoa ity ny vadiko tena dadany mihintsy raha hidoroka. Mivavaka ve ianao e ? Sa zavatra hafa koa no asetrinao azy ? Be dia be anie no aterak’io fitiavana io e, ary io no atao hoe afo miredareda. Ary na inona doranao amin’io tsy maintsy may.

« Fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24). » (Hebreo 12:29) Ianao ve mba nahita an’ireny fanaovana « soudure » ireny ? Ilay « gaz » misy « carbure » ireny ? Na vilany vy matevim-be aza no eo, vao alefanao ao iny, trobaka io vilany io. Izany anie ity vavaka ataontsika ity e, izay no antony, mankahalà ny ratsy, ny dikan’izany : manaovà tsara. Inona no tsara ? Dia ilay teo ihany, mamonjy fanahy very. Mankahalà ny ratsy, hoy aho aminao, tsy misy « compromis » amin’ny devoly. Fa rehefa an’ANDRIAMANITRA, izao ilay teny : « Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy, [Heb. hampivereniko] » (Jeremia 15:19) Ary io solom-bavan’ANDRIAMANITRA io rehefa miteny, afo mandoro io. Amim-pitiavana izany fa tsy hoe olona masiaka be ara-nofo akory no tiako hambara aminao. Fa rehefa miteny io, teny malemy maha-tapa-taolana. Vavaky ny marina mahery indrindra. Izay no mampahery azy, izay ilay mandoro. Hoy aho aminao, santionany iray ao amin’ny ankohonana, atomboka ao ilay izy, satria rehefa ao no tsy mandeha, mazava ho azy ilay atsy amin’y asa, tsy mandeha koa.

Fantatsika tsara fa ny aretina anie amin’izao tsy dia ilay aretina hitatsika ety ivelany ihany, fa… maninona moa ny olona no hita mihantona eo ambony seza dia izy tsy hita ? Vao niresaka vao haingana izahay. Miditra birao ianao, tsy misy olona tao fa iray fotsiny no ao. Kanefa misy any amin’ny firy ry zareo no mpiasa ao, iray ihany no ao ; izany anie no zava-misy amin’izao isika miteny izao e ! Mba manandrama ianao, mba « vérifier »-o izany raha te hahita ianao. Nankaiza i anona ? Tsy eo ; dia amin’izao vanim-potoana izao, firifiry ny olona milaza fa kristianina, miditra amin’ny 8 ora, nefa amin’ny firy vao tonga ao ? Amin’ny 10 ora, na amin’ny 9 ora. Dia kajio anie e, raha ohatra hoe ao anatin’ny iray andro ianao amin’ny 9 ora vao tonga ao am-piasana, nefa tokony hiditra amin’ny 8 ora, adiny iray izay. Tokony hirava amin’ny 4 ora hariva ianao, amin’ny 3 ora hariva ianao dia efa tsy hita, adiny iray koa izay ; very firy izany ao anatin’ny iray andro, adiny 2, ao anatin’ny dimy andro izany adiny 10. Ampitomboy herintaona io, firy ora izany no nangalarinao ? Mialà amin’ny ratsy, mankahalà ny ratsy !

Ny an’ny olona mantsy ilay misotro toaka e, mijangajanga e … izay ihany no eritreretin’ny olona fa ratsy, tsia ! Raha tianao hahery ilay fitiavana ao aminao, mankahalà ny ratsy tahaka izany : mangalatra adiny 1 maraina, adiny 1 hariva, ampitomboy mandritra ny taona izay ; raha mikarama ohatrinona isan’ora ianao, dia ampitomboy mandritra ny taona, firy « million » no nangalarinao ? Izany anie ity hoe mankahalà ny ratsy, zavatra tsotra be toy izany e ! Raha ohatra olona mpiditra amin’ny 9 ora ianao, nefa ianao manao « cellule d’entreprise » dia ahoana hoy ny tenin’ANDRIAMANITRA ? « Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. » (Jaona 9:31)

Tsy mbola tonga amin’izany akory aza isika, maninona no tsy mijoro ilay « cellule d’entreprise » ? Maninona no tsy mijoro ny vondrom-bavaka ao amin’ny toeram-piasana, kanefa isika mpiasa daholo, hatramin’ny mpikarakara tokatrano ? Satria misy tsy mety ao, mankahalà ny ratsy. Epistily nosaratan’i Paoly Apostoly  ho an’ny kristianina tany Roma ; ho anao mpino izany, ho antsika izany rey olona, mankahalà ny ratsy !

Misy santionany iray koa ity, hitantsika tsara tamin’ny fotoan’i Saoly mpanjaka, rehefa ANDRIAMANITRA izany no miteny hoe : ialao ny ratsy, dia tsy misy marimaritra iraisana io fa izao, halako tanteraka ny ratsy, any ianao ! Hoy ilay hira iray izay hoe : « ataoko veloma. » « Adieu ! » no dikan’izany, tsy hihaona intsony mandrakizay. Ary tenin’ANDRIAMANITRA ao amin’i Isaia io fa sao tsy fantatrao fa faminaniana iny. « Ataoko veloma ny faharatsiana rehetra. » Tenin’ANDRIAMANITRA iny, no nataony hira. Noho izany ny tenin’ANDRIAMANITRA tokony hankatoavina. Misy santionany iray ity lazaiko anao, izay hoe tsy manao tsikombakomba amin’ny ratsy. Fa miteraka loza, tsy hahitanao ny herin’ANDRIAMANITRA ; rehefa tapitra ity tenin’ANDRIAMANITRA ity an, isika rehetra izay miasa, azoko antoka amin’izay, mazava aminao ny antony anaovanao vavaka ho an’ny toeram-piasana, ho an’ny mpiasa sy ny mpampiasa rehetra ao. Satria izay ilay fitiavanao eo aminao eo. Ianao anie miditra maraina, mody hariva, ao foana e, dia jerenao fotsiny ve ireo olona ireo ? Lazaiko anao, mankahalà ny ratsy !

Inona no zavatra nitranga tamin’ny tantaran’i Saoly ? Rehefa nasaina namono ny amalekita rehetra izy, nitarika ny miaramila rehetra, ny zavatra nitranga dia izao, hitanao any amin’ny  1Samoela 15 io tantara io, dia hoy ny tenin’ANDRIAMANITRA nampitondraina an’i Samoela, Saoly ! Mandehana ianao, aringano daholo ny amalekita ! Rehefa avy any i Saoly an, i Agaga mpanjaka tsy mba naringany. Sy izay tsaratsara, matavitavy tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby. Fa nentiny niverina nankany amin’ny taniny. Izany hoe tsy nankato ny tenin’ANDRIAMANITRA, fa i Agaga tokony naringana, novonoina niaraka tamin’ny olona rehetra, tsy novonoiny. Nanao « compromis » tamin’ny amalekita. Izay no dikany ! Dia aza gaga ianao, fa jereo fa manaraka io ! Samoela iny an.

Aty amin’ny Estera, rehefa nandeha ny tantaran’i Estera an, mpanjaka Sirosy an, Mordekay, i Hamana. I Hamana dia izao no tenin’ANDRIAMANITRA, taranaky Agagita, izany hoe Agaga, taranaka avy any io, fa angaha ny devoly mamela anao hipetrapetraka fotsiny. Rehefa tsy aringanao izy, arahany eny ianao, ary mahita loza ! Fa inona no nataon’io Hamana io ? Ao amin’ny bokin’i Estera toko faha-3, nankahala ny Jiosy, kristianina io, mitady izay handringanana ny jiosy, kristianina io, nitady izay hamonoana ny jiosy, kristianina io. Fa angaha ny devoly azo anaovana marimaritra iraisana ? Aringan’ny devoly ianao ! Eto anie rey olona zavatra : « tolon’Ambatolampy, ka na ianao vaky loha, na ianao mahavaky ny lohany ! » Izay ihany no kristianina ry havana, jereo tsara, tsy misy izany an-kadasitra izany rehefa fiainana kristianina. Na ianao hiteny hoe matiko ianao ry devoly, na ianao matiny ! Fa tsy misy an’izany hoe mody ataovy torana fotsiny aho ry devoly a ! Tsy misy an’izany, ny devoly rehefa mahazo, maty koa ianao.

Teo amin’ny iray volana teo angamba ry havana, nihaona tamin’ireto olona maromaro izay mpanompo sampy aho. Tena ilay mpanompo razana mihintsy, hitanao ilay misy ladoany ireny ? Toa ny eny Ambohimanga misy ilay fasan’andriana. Ilay angalana tantely, hosorana tany sy vovom-paty. Dia entina mody amin’ny tavoahangy kely, fatorana menamena ny tendan-tavoahangy. Atao any am-paosy, hitondra fitahiana. Nifanena tamin’ireo ray aman-dreny maromaro ireo aho. Mazava ho azy, fitoriana ny filazantsara ny ahy no tena maha-tery ahy ; rehefa nivavaka tsara aho mialohan’ny nifanenako tamin’ireo olona ireo. Ity ilay hoe, na ianao matiny, na ianao mahafaty azy. Rehefa tonga teo aho aloha dia niresadresaka, toy ny olona miresadresaka ! Tonga dia tsapako teo fa matiko avy hatrany ireto. Satria na ny firesany aza dia efa mazava, fantatrao anie ny olona rehefa resy e ! Vao miresaka izy dia ohatra ny mitsoatsoaka hafahafa izany. Fa tsy vita eo e ! Tsy maintsy matiko ianareo ! Izany hoe babon’i JESOSY no dikany. Mitady hitsoatsoaka, amin’ny anaran’i JESOSY, miverina mihaino ! Ireny fa lasa nanatonkatona, somary ariandriana, an an an, aty aloha mihaino ! Nanatona tety aloha daholo. Nihaino ny ràn’i JESOSY ! Na ianao matiny, na ianao mahafaty azy. Tsy an-kadasitra ity miaraka amin’i JESOSY ity ry havana, lazaiko anao, fiainana kristianina. Hoy ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*. [*Na amin'ilay ratsy] » (Matio 5:37)

Fa tsy hoe tsia eny, na hoe eny tsia, tsy fantatro intsony. ENY dia ENY, eo anatrehan’i JESOSY, fa rehefa tena izany no ao anatinao ao, matahotra ny devoly rey olona a, ny devoly anie mba mino no sady mangovitra e, hitako mihintsy ny fahamarinan’iny tenin’ANDRIAMANITRA iny, lasa niondrikondrika ry zareo sady nanatona. Tena mangovitra eo anatrehan’i JESOSY ireto olona ireto. Ny ràn’i JESOSY no vahaolana, te ho afaka ianareo ? Izay ilay fitiavan’ANDRIAMANITRA tiany ho zaraina. Ianao koa, santionany iray izay, manao ahoana ny fitiavanao ny mpiara-miasa aminao ? Manao ahoana ny fitiavanao ny mpiray fokontany aminao… Inona no mba hetsika ataonao ? Tena mba ao anatinao ve ilay fitiavana ? Apetraho ny fanontaniana, sao dia tsy ao ary ; fa raha ao ny fitiavana dia mitovy amin’ny an’i JESOSY ihany, mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotana. Dia atomboka amin’ny vavaka io lazaiko anao, marina anie izany e ! Araka ny efa nolazaiko anao hoe nisy fotoana aho efa ho 15 taona no nivavaka izay vao nivaly e ! Ary famonjena fanahy very io. Nisy fotoana aho androny no mivavaka dia nivaly teo no ho eo. Misy fotoana aho nivavaka herintaona vao nivaly. Iray ihany no itambaran’ireo na ilay herintaona, na ilay teo no ho eo na ilay 15 taona. Vavaka ihany no niantombohany. Ary izay no tena mila jerentsika tsara. Mankahalà ny ratsy, izaho tsy hiteny hoe ny fijangajangana, ny fisotroan-toaka…Tsy any intsony isika kristianina rey olona a, fa inona ilay hetsika ataon’ilay fitiavana ao anatinao ao ? Tsy mbola mankahala ny ratsy ianao raha tsy manao hetsika. Fantatrao ilay fitiavana ao anaty io ? Ilay ambaran’i Paoly hoe : « Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; » (2 Korintiana 5:14)

Fantatrao ny dikan’izany hoe manery ? Misy tenin’ANDRIAMANITRA manao hoe : « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13) Tery ny làlana, raha tsy ny fitiavana no manery anao mankao, votsotra ianao. Satria ny fitiavan’ANDRIAMANITRA manao hoe : « Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) » (1 Petera 4:8) Olona be ota ve ianao hisesika ? Tsy tafiditra ao ianao, lolohavina ny « ciment », babena ny sakôsy, anaovana ny kiraro… nefa ianao hisisika, ny olona afaka misisika anie rey olona, olona maivamaivana e ! Miala daholo ny tsy fitiavana sy ny fahotana rehetra rehetra, dia lasa amin’izay ianao misisika.

Ny fanjakan’ANDRIAMANITRA koa rombahina. Mba efa nahita mpanao « rugby » ianao ? Raha sady osaosa ianao, no kelikely ianao, mandana manao « rugby » anie fa atosiky ny olona fotsiny e, ny olona ngeza be sady matanjaka be no lava be. Fa izaho koa amin’ny ara-panahy, aza ny hakeliko no jerenao fa ny fanahiko ngeza be. Ianao koa mihaino eto, ahoana no ahafahanao misisika mizara fitiavana ? Fitiavana manarona ota maro, feno ny Fanahy Masina ianao, rehefa feno ny fitiavana, izay anie no dikany e ! OLONA FENO FANAHY MASINA NO ATAO HOE FENO FITIAVANA. Raha tsy feno ny Fanahy Masina ianao eh !!! Kipantsona mikarantsana rey olona ; samia anie mba mieritreritra ny fiainantsika isika e, eo amin’ny vady, eo amin’ny zanaka, hoy aho hoe, izay no voalohany ao an-tokatrano. Mivoaka kely ao amin’ny orin’asa, na mpandraraha ianao, na tompona orin’asa ianao, na mpiasa tsotra ianao, manao ahoana ny halehiben’ny fitiavana eo aminao e ? Mandraisa fanapahan-kevitra manomboka androany : manomboka izao aho JESOSY ô, fanekena androany an, hivavaka ho an’ny toeram-piasana izay misy ahy, na mpikarakara tokatrano aza. Hanomboka aho JESOSY ! Fa ho hitanao anie ny valiny e ! Matoa aho miteny anao an’izao, satria izaho manao, dia hoy ny epistilin’i Jaona : « [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana « (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), - « izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany. » (1 Jaona 1:1-3) Raha tsy izany, diso ity baiboly ity ! Marina io ! ANDRIAMANITRA tsy azo tondroina intsony hoe diso, fa izaho no tsy mety. Isika rehetra no tsy mety. Hivavaka isika izao, hanao dingana, fa sedrao e, ianao anie raha tsy manao tsy mahita e ! Mirehareha ery ny « loto », ny soavaly, « course » soavaly, izay tsy manao no tsy mahazo e ! An an an, ato amin’i JESOSY no izay tsy manao no tsy mahazo ! Fa iny mandona tapany dia ampadoaviny erany ianao rehefa avy eo. Fa ny an’i JESOSY rehefa manome, « complèt » sady any aminao tanteraka. Izany no famonjena izay azoko, sy azonao. Izany no famonjena izay omentsika ny olona rehetra.

« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. » (Malakia 2:5)

Manao ahoana izany hoe fanekenao tamin’i JESOSY izany, manao ahoana ny vavaka ataonao ho an’ny tokatrano, ho an’ny mpiara-miasa… ? Tena mba nanao fanekena tamin’i JESOSY ve ianao fa ny an’i Mosesy anie ka hoe « Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. » (Eksodosy 32:32) Satria izay ilay fanekena nataony tamin’i JESOSY.