Filazantsara mitondra fandresena


Filazantsaran’i KRISTY, hery mitondra fandresena ; zavatra telo no hojerentsika androany.

Fa isan’andro isan’andro, dia tadidio fa ny kristianina dia miatrika fahavalo. Isan’andro hoy aho, fa tsy isan-kerin’andro, na isam-bolana, fa isan’andro, na atoandro na alina dia miatrika fahavalo ianao. Fa izay mihintsy ny kristianina izay. Fa raha kristianina tsy sahy hiatrika fahavalo an, dia mieritrereta kely aloha fa misy olana ny « christianisme »-nao.

Ny tenin’ANDRIAMANITRA Fototra izay hitondran-tsika ny tenin’ANDRIAMANITRA androany dia : 1 SAMOELA 17. Tsy ho vakiantsika daholo akory io toko iray manontolo io fa rehefa manam-potoana ianao dia mba vakio ihany izy io any an-trano any. Io boky io dia mitantra ny fomba izay nitondran’ANDRIAMANITRA ny zanak’Israely, teo anatrehan’ny filistinina tamin’ny alàlan’i Davida. Fa raha misy tantara tena atao hoe « tragique » koa ry havako, dia mba anankiray amin’izany ity tantaran’i Davida sy Goliata ity.

« Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy. » « Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.  « Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona? » (1 Samoela 17:24-26)

Ny anankiray tsy mifora, fa ny anankiray miaraka amin’ANDRIAMANITRA velona. Misy « différence ». Ambarako anao hoe inona no tena zavatra tena nitranga teto amin’ity tantara ity an, satria, raha tsy fantatsika tsara mantsy ny tena zava-nitranga dia hanahirana antsika ny hahafantatra hoe fa inona moa no « secret » ny fandresen’ i Davida. Fa tsy nandresy izy raha tsy nisy an’io « secret » io. Avelako aloha ianao mba hiketriketrika kely hoe inona no mba « secret » an’i Davida io an.

Voalohany aloha dia izao : andeha hifanandrina amin’ny zanak’Israely ny filistina, teo anelanelan’ny lohasaha Elah, tendrombohitra roa no manasaraka azy ireo, dia ity lohasaha ity no manelanelana azy, izany hoe samy nahazo tendrombohitra izany ny antokony avy.

I Saoly no mpanjakan’Israely tamin’izany fotoana izany, ary i Goliata no mpitarika ny filistina. I Goliata dia 6 hakiho sy 1 njehy ny halavany, « 3.5m à peu près » ; satria ny hakiho 1= 50cm na mahery kely. Ary ny « largeur »ny dia any amin’ny « 1.2m » any. Fa refeso anie ny lanjan’izany Goliata izany e, farafahakeliny any amin’ny 250kg, satria ny lanjan’ny akanjony dia sekely 5000, varahana io an, ilay mirandrandrana toy ny kiran-trondro ireny. Ary tsy vitan’izany moa fa sady « beau gosse » izy. Voalazan’ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe sady tsara. Izaho dia miteny aminareo « beau gosse » ireo tandremo ny « bôgôsité » fa atsororok’io « bôgôsité » io ianao raha tsy mitandrina. Fa i Goliata anie ry havana tao anatin’ny 1mn fotsiny natsotsororoky ny « bôgôsité » e ! Misy tenin’ANDRIAMANITRA milaza ny amin’ny losifera any amin’ny bokin’i EZEKIELA any manao hoe : « koa satria tsara tarehy izy, ka niavonavona ny fony. » Rehefa tsara mantsy ny olona dia miavonavona izy. Ianareo ve tsy mahatsikaritra izany ? Be dia be ny olona « beau gosse » fa miavonavona. Rehefa mba « beau gosse » ianao an, manetre tena. Dia hoy ny i Goliata hoe : « nahoana ianareo no mivoaka hiady amiko ? angaha tsy fantatrareo fa filistina aho ? » Henjana izany ilay « titre » filistina no dikany. Tsy entikentina fotsiny. « Fantatrao angaha fa filistina aho ? miverena raha tsy te ho faty. » Izay no dikan’izany.

« Manomana lehilahy iray hiady amiko » hoy i Goliata ; raha amin’ny tanora ankehitriny izany, dia manao iray sy iray ; izay no filaza izany, mivoaha izay hanao iray sy iray. « Ka izao no izy, raha matinareo aho, dia ho mpanomponareo ireo miaramilako rehetra ireo, fa raha ny mifanohitra amin’izay no mitranga, dia miomana fa ho mpanomponay ianareo. »

Ka rehefa miady mantsy, tsy maintsy misy ny resy, dia misy ny mandresy. Tsy dia misy « match nul » ato anatin’ny baiboly, rehefa miady ny Israely sy ny fahavalo. Fa na ny Israely, misaraka amin’ANDRIAMANITRA, dia ripaka, fa na ny Israely, manaiky ny tenin’ANDRIAMANITRA, fa ripaka ny fahavalo. Ny eo anelanelany tsy misy fa ny iray amin’izay ihany.

Inona no loka ho an’ny Israely, fa toran-kovitra i Saoly, nihemotra izy, mpanjaka izy amin’io an, dia nanangona ny miaramilany rehetra izy dia niteny hoe izao an : « ohatra ny tsy ho possible ! » Fa 3.5m an, 250kg, koa ny miaramilan’ny Israely, jereo ireto hakeliny. Tsy fantatro tao amin’ny « afro-basket men » raha nisy toy izany. Dia hoy i Saoly hoe : « manomana, lehilahy, dia izao no ho loka ho an’izay mahafaty an’io an, voalohany : homeko vady izy, omeko azy ny zanako vavy, faharoa tsy mandoa hetra izy sy ny taranany iray manontolo. » Vady atolotra moa io izany ; tsy hiditra lalina amin’izay isika. Ary tsy mandoa hetra izany hoe « exonéré » ; fa ny fanjakana no handoa azy. Izay izany no loka ho an’izay maharesy. Eto aho dia te hitarika ny sainao sahady. Fa ho avy ny fampakarambadin’ny ZANAK’ONDRY. Misy hiran’ny mpanankato iray milaza hoe : « efa voaomana ny zava-drehetra hoy izy,  indray andro any ho avy ny fandoavan-ketra. » Fa raha mandray an’i JESOSY ianao, dia efa voaloha sahady ny hetranao, teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy hoe tsy manana hetra ianao, fa efa misy mpandoa hetra sahady ianao. Tsy ho tsy manana hetra izay lehilahy mandresy an’ity Goliata ity, fa manana izy, fa ny fanjakana no handoa ny hetrany, ary tsy izy irery fa ny tarana-drainy iray manontolo. Loka anie izany ry havana e !

Izaho izao raha maharesy, tahaka an’i Paoly sy Silasy izay nivoaka ny fonja , dia niteny tamin’ilay mpiambina izy hoe : « Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)

Raha vao mino ianao, dia tsy hoe ianao ihany no hovonjena, fa hiaraka ho vonjena aminao koa ny ankohonanao. Izany anie ry havana, no loka ho an’ny olona mandresy e !

Ary nony farany dia i Davida no nanao « volontaire » ; « hovonoiko io » hoy izy, dia hoy i Saoly hoe : « tsy vitanao io ry Davida a, ianao anie kely e, no sady tsy ampy éxpérience, ngeza anie izany e ! » dia hoy i Davida hoe : « ka ny liona sy bera aza noraisiko tamin’ny vavany anie e, mbola tsy fantatrao izany ry mpanjaka fa dia teneniko anao aloha fa dia izany no zavatra nataoko izany ! »

Dia nampiakanjoana i Davida, nampiakanjoana mitovy amin’ny akanjon’i Goliata, satria izay no eritreretin’ny mpanjaka fa maharesy an’io filistina io. Dia hoy Davida hoe : « avelao, fa tsy haiko ny mandeha amin’io » dia hoy Davida rehefa nihantsy an’i Goliata izy : « ahoana sy ahoana ange no hatao amin’izay lehilahy mahafaty an’io filistina tsy mifora  io ? » Fanontaniana ngeza be izany an, fa ny filistina mantsy dia tsy mifora.

A) Fa inona no tsiambaratelon’ny fandresena ?  Eo anatrehan’ANDRIAMANITRA ? Dia  efa mamaly azy sahady any an-tsaina angamba ianao hoe fa inona moa no « secret » nandresen’i Davida an’i Goliata, tsy nanao akanjon’ny miaramila  i Davida, tehina no teny an-tanany, vatokolonjy teny amin’ny renirano no nalainy, vato 5, fa vato 1 fotsiny dia nampilofika an’i Goliata. Amin’izao tontolo izao dia hoe : « vato iray ve dia mba ho aiza ? » Fa amin’ANDRIAMANITRA, vato iray tena mankaiza.

Nihira taminareo izahay nanao hoe : « ny ady atao amin’ny fanahy ratsy tsy ilana famaky,fa ny finoan’ise no ataovy ngeza be dia izay. » Fa raha ny toe-batan’i Goliata fotsiny, tsy « possible » mihintsy ny handresen’i Davida azy. Fa tsy ny toe-batana no mi-« compte » fa ny fananan’i Davida ny Fanahin’i JEHOVAH tao anatiny. Ny filistina tsy mifora. Dia hoy i Davida hoe : « nahoana moa ny filistina tsy mifora no handresy ny zanak’iSraely izay mifora ? »Fa izay ry havana, no « secret »-n’ity fandresena ity.

Ny filistina anie tsy mifora e, tsy vita fanekena teo anatrehan’ANDRIAMANITRA no dikan’izany. Nahoana moa  ny olona tsy vita fanekena teo anatrehan’ANDRIAMANITRA, no afaka handresy ny olona efa vita fanekena teo anatrehan’ANDRIAMANITRA ? Tsy tokony zavatra hitranga izany, fa matoa ianao resy, tsy mbola nanao fanekena teo anatrehan’ANDRIAMANITRA ianao izay. « Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky? » (Amosa 3:3)Tsiambaratelo voalohany omeko anao dia izao : mila mifanaiky amin’ANDRIAMANITRA ianao. Fa na fahavalo inona na fahavalo inona manoloana anao, rehefa mifanaiky amin’ANDRIAMANITRA ianao, dia izao, tsy vatokolonjy 5, vatokolonjy vitsivitsy anie no netin’i Davida e, fa tsy ilay isan’ilay vatokolonjy, fa noho i Davida izay niraikitra tamin’i JEHOVAH.

Fa sao ianao manantena hoe mba hanao « expérience », handeha hiady amin’ny fahavalo, dia vatokolonjy 5 koa no entina, anefa tsy manana an’ANDRIAMANITRA ianao. Aza manantena fa mety hilofika eo ianao fa teneniko anao an ! tsiambaratelo voalohany : mila famorana eo anatrehan’ANDRIAMANITRA ianao.

« Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. » (Deotoronomia 10:16)

« Miforà ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy. » (Jeremia 4:4)

Inona izany no forana amin’izao fotoana izao, raha manao famorana isika raha ny tokony ho izy, raha manao fanekena amin’ANDRIAMANITRA ? Ny fonareo no forana. Ny famorana mantsy dia fanekena nataon’ANDRIAMANITRA tamin’ny zanak’i Abrahama rehetra, ny taranak’i Abrahama raha vao teraka valo andro fotsiny izy.

« Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. » (Genesisy 17:10)

Ka rehefa vita famorana, ny lehilahy rehetra, rehefa teraka valo andro, nanomboka teo amin’i Abrahama, i Abrahama moa efa zokiny be vao noforana. Fa ny taranany efa nanao « contrat » tamin’ANDRIAMANITRA izay. « Fa Hianao efa nanao hœ: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. » (Genesisy 32:13)

Ianao ve mba maniry an’izany ? Ohatra ny fasika ny tarakao satria mandresy ianao, satria miaraka amin’ANDRIAMANITRA ianao. Fa izao, izay fanekena nataon’i taranak’i Abrahama tamin’i JEHOVAH izay an, fanekena taloha. Satria na ny testamenta taloha, na testamenta vaovao, dia milaza hoe tsy misy famonjena raha tsy misy rà latsaka. Ary izay no antony amorana ny zanak’iSraely rehetra mba ho marika hita maso fa nanao fanekena tamin’ANDRIAMANITRA izy. Ary ny fanekena vaovao izay tokony ho raisiko sy ho raisinao androany, dia ny ràn’i JESOSY nilatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.

« Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. » (Lioka 22:20)

Izany hoe raha tsy manaiky hisotro ny kapoakan’ny Tompo ianao, dia aza manantena ny handresy.

B) Ary mankaiza ny làlan’ny fandresena ?

Rehefa vita fanekena amin’ANDRIAMANITRA ianao, ka nandray an’i JESOSY. hoteneniko rehefa avy eo moa hoe ahoana ity mandray an’i JESOSY ity. Rehefa mandray an’i JESOSY dia ahoana no fomba handehanana mankany amin’ny làlan’ny fandresena ?

Nanao « arts martiaux » aho taloha, dia rehefa niakatra tempana ambonimbony dia nijanona satria hitako hoe, ohatra ny mitady hitondra ahy mankany amin’ny hery setra ilay izy. Dia izao ny « conseil » nomen’ny « maître »-nay tamin’izany dia hoy izy hoe : « la meilleure défense c’est l’attaque. » Ary marina izany ato amin’ny tenin’ANDRIAMANITRA. Jereo tsara anie zavatra nataon’i Davida e !

 « Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina » (1 Samoela 17:43)« Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. » (1 Samoela 17:45) Ny dikan’izany dia izao : raha tsy ny anaran’i JEHOVAH ANDRIAMANITRA no nentin’i Davida teo dia naninona izy ? Nikorotsaka teo izy fa lazaiko anao izany.

Raha hoy i Davida hoe « ialahy angaha tsy mahalala an’i Davida kely ? Mbola ho aiza no hanaovan’i Davida kely an’ialahy, vatokolonjy anie no ato e !  Iray fotsiny dia mahafaty an’ialahy !» fa hoy Davida hoe : « tsy any ny làlana rahalahy a, tsy any làlana calme ianao ! » « Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. » (1 Samoela 17:46) Ary ho fantatry ny Israely, fa izany JEHOVAH ANDRIAMANITRA izany dia mahery fa tsy « pauvre na faible »

 « Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina. » (1 Samoela 17:48) Nandroso faingana i Davida : « la meilleure défense, c’est l’attaque. » Noraisin’i Davida ny vatokolonjy, vitsivitsy no tany anaty kitapony, fa firy no nahafaty an’i Goliata ? 1, hoy ny fiteninay avy any Sambava sy Diego hoe « araiky fô » Iray fotsiny dia nampilofika ny fahavalo, nampirimina fotsiny ny vatokolonjy sasany ambiny.

« Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;  « tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. » (1 Petera 5:8-9) Matoa ny tenin’ANDRIAMANITRA ry havana, milaza izany dia izao, rehefa tsy vonona ny hanohitra an’io devoly io ianao, dia izy no hanohitra anao.

« Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » « fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, « fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. » « Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. « Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. « Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. » (Galatiana 5: 19-26)

Ny asan’ny nofo dia ireto...Ary ny asan’ny Fanahy dia ireto …Ary tsy maintsy mifanohitra ireo, mandra-pikipin’ny masonao eto ambonin’ny tany. Ary rehefa manohitra ny devoly dia tena manohitra mafy. Fa tsy manohitra mora tahaka ny fomba fandroahana ny devoly.

Ianao ve ry havana mieritreritra fa raha handroaka devoly ianao ao anatinao, na ao an-tokatrano, dia hiteny amin’ny devoly ve ianao hoe : « amin’ny anaran’i JESOSY, mba mivoaha anie  azafady e !  Azafady an, sao dia mba afaka mivoaka ianareo ?» HIVOAKA AMIN’IZANY VE NY DEVOLY ? AMIN’NY ANARAN’I JESOSY MIALA ! amin-kery sy amim-pahatezerana no androahana ny devoly, noraisin’i Davida ny vatokolonjy…Indray mandeha fotsiny dia nilentika teo amin’ny handriny, ary voan’i Davida tao amin’ny « point vital » mihintsy. Mamantarà ny fanahy ry havana, mila manana izany fanahy mamanatra izany isika. Ary koa hoe aiza no « point faible » an’io fahavaloko io. Fa izany anie no nataon’i Davida, i Goliata anie ka tena nisarona varahana e, hatrany an-tampon-doha, ka hatrany am-paladia, fa teo amin’ny handriny no tsy voasarona. Hitan’i Davida izay, eto no hamelezako an’ity hoy izy…Vita ! Vatokolonjy iray an ! Ny ady atao amin’ny devoly hoy aho tsy ilana famaky e, lalitra no hovonoinao dia « kalachnikov » no alainao, dia hoy ianao hoe tsy maintsy matiko ity lalitra ity, ny rindrina potika, ny bala very, ny basy nipoaka, ny mpiray vodirindrina taitra…Kapoka kely fotsiny dia mahafaty ilay lalitra raha tena hainao izy ; fa izao fotsiny ihany, raiso ny ràn’i JESOSY, fa io no fanekena vaovao.

Tohero izy, izay no làlana mankany amin’ny fandresena. Mila toherina izany ny devoly, fa rehefa tsy hanohitra azy ianao, dia izy no manohitra anao, ary tsy maintsy ho resy ianao ! Na ho aiza ianao na ho aiza, rehefa tsy manana an’i JESOSY ianao, dia ilay fanekena vaovao.

 Ny zanak’Israely anie ry havana, handeha hivoaka ny ranomasina mena tamin’ny loza faha-10 e, dia notenenin’i JEHOVAH ANDRIAMANITRA izy hoe : « Izao no famantarana ho anareo, ho avy ny anjely hikapoka amin’ny sabatra amin’ny alina ; mamonoa zanak’ondry tsy misy kilema, ka ateteo amin’ny varavaranareo ny rà-ny ; fa raha mahita an’io ny anjely dia handalo fotsiny izy. » Inona no dikan’izany ? Fa na ny zanak’Israely aza ka tsy namono zanak’ondry, ka mandalo ny anjely dia haninona izy ? maty izy. Fa aza manantena ianao hoe izaho efa zanak’Israely, tsy « étiquette » ry havana no entina. Ka sanatria hiheboheboanao eo anatrehan’ANDRIAMANITRA hoe izaho anie efa GBPE e ! Dia hoy ANDRIAMANITRA hoe GBPE ??? Fa angaha izany no ilaiko ? Ny ràn’ny ZANAK’ONDRY mitete ao anatinao izay no ilaiko fa tsy « étiquette » Izay no ilain’i JESOSY izay. Raha tsy izany anie, tena lazaiko anao fa ripaka ny zanak’Israely e ! Tena ripaka tao ! Fa rehefa tonga ny anjely ny alina, vao nahita ny ràn’ny zanak’ondry nitete teo am-baravarana, dia nandalo fotsiny ; ny sabatra eny an-tànana an, fa nandalo fotsiny ! Izay tsy nisy rehetra, maty daholo, nanomboka any amin’ny teraka lahimatoan’i Farao, ripaka ! Ary izay no nahatonga an’i Farao hoe henjana ity ! alefaso ! alefaso ! Kanefa moa, noho ny hamafin’ny fon’i Farao dia nony injay tonga teo amin’ny ranomasina mena ny zanak’Israely, nanenina izy, ah ! Tsy tafavoaka, tsy lasa mihintsy fa « vide » ny tànana, andehana enjeho ! Nanenjika ihany ary rehefa tonga teo amin’ny ranomasina mena, io misy làlana hoy izy. Fa saingy ny tsy fatany satria tsy manana an’i JEHOVAH ANDRIAMANITRA izy dia izao, io làlana ranomasina misokatra io dia fasana ho azy.

Izany anie ny olona rehefa tsy manana an’ANDRIAMANITRA e, rehefa tsy manaiky an’i JESOSY ny olona dia izao, eritreretiny ho làlana fa fasana ho azy. Làlana ho an’ny zanak’Israely anie ny ranomasina mena e, niampita ho any amin’ny tany Kanana, fa fasana ho an’ny egyptianina e !

Ary mbola averiko aminareo foana hoe, tandremo tsara mihintsy, tsy mitovy mihintsy ! Na samy mijery izao fotsiny aza ny zanak’ANDRIAMANITRA sy ny zanaky ny devoly, tsy mitovy ny zavatra hitany fa teneniko anao izany !

I Stefana anie rehefa notorahim-bato, inona no zavatra hitany ? Lanitra misokatra anie no hitan’i Stefana teo amin’ny masony e ! Fa ny olona nahita vato ; izany anie no zavatra mitranga rehefa tena mandray an’i JESOSY ianao e ! Ny olona mahita vato, ianao mahita lanitra misokatra !

Tsy mitovy hoy aho io ! Aza gaga, « calme » fotsiny raha te handresy ianao. Fa izao maneke ny fenekena vaovao ! Fa izay no andrasan’ny Tompo aminao androany.

D) Ahoana no fomba fandresena fahavalo ?

Hoy isika teo hoe TOHERINA. Toherina ahoana moa ity fahavalo ity ? F raha tsy mahay manohitra mantsy ianao, dia mety hitovy amin’ny teny nataon’i Goliata ihany anie no ataonao e !

Indray mandeha, nisy rahalahy iray izay nanao « tournée ». Tany amin’ny toerana tena lavitra, no tsy misy inona na inona fa « cyclone » no any. Niditra tamin’ny tetezana iray, rava ilay tetezana, fa zavatra kely anankiroa sisa no azo nandehanana, ny ilany mba nisy roa fa ny ilany iray. Tsy maintsy nanaraka an’iny ny fiara, fa tonga teo izy, tsy maintsy hiampita ; tonga izy dia raiki-tahotra, « ah ! Tena hiverina eto aho fa tsy tafavoaka ity » hoy izy mantsy ilay mpandeha, dia hoy ilay mpandeha « isika anie tsy maintsy mandeha e ! » dia hoy ilay mpamily hoe « izao no izy na isika miara-mandeha amin’io tetezana io an, na isiaka miara-mijanona daholo ! » Satria hoy ilay mpandeha hoe « aleo izahay hiala fa ianao no mitondra an’io fa mba guider-nay ianao, andao re fa vitanao io e, làlana lavitra be iny aza vitanao, ianao moa mahay ô ! » nanomboka niakatrany rahalahy hoe « ah ! ohatra ny toa mahay marina aho izany an ! » Dia hoy izy « andao ary e ! » Dia niditra tao anaty fiara izy, fa ny olona efa niampita nirobo-drano. Dia notarihina moa izany izy, no-« guider »-na. Dia nangovitra ihany, alefaso miankavia indray, mian-kavanana indray … Farany tonga izy, satria nisy mpitarika ! Fa rehefa tonga izy dia nivoaka tao anaty fiara, dia hoy izy : « tsss, tsy ampahafirin’ny tetezana nandehanako iny, izaho anie mody tsy miteny aminareo fotsiny fa zavatra tetezana firy no efa hitako ! »

 Dia toy izany no ataon’ny olona, rehefa tsy manana an’ANDRIAMANITRA ny olona. Adino ilay nitarika fa ilay fandresena no arangaranga ! Adino ilay JESOSY nampandresy, fa arangaranga fotsiny ilay fandresena ! « Izaho no nahavita an’io, raha tsy izaho io tsy vita ! » Efa nanomboka resy sahady ianao izay, raha vao izay no zavatra teneninao. Mety hoe nandresy hita maso angamba ianao, fa nanomboka teo ny faharesen’ny fiainanao. Mandana miverina manao « zéro » amin’i JESOSY aloha, mandana mifona amin’ny Tompo aloha. Meteza ho entin’ny Tompo.

Voalohany dia izao, raha misy sarotra resena indrindra, eo amin’ny kristianina, dia ny fakam-panahy. Mora resena ny zavatra rehetra, fa io, tena lazaiko anao, raha tsy feno ny fanahy ianao, lehilahy ianao, na vehivavy izay maharesy an’io. Zavatra kely fotsiny, andao hisaraka hoy ny mpivady izay ! Kely fotsiny an, « clic » kely fotsiny, andao hisaraka ! Vita ny tokatrano, potika.

Miharitra fakam-panahy. MATIO 41-10, misy an’io, miharitra fakam-panahy. JESOSY nalaina fanahy. Rehefa nalaina fanahy JESOSY dia inona no navaliny ny devoly ? Ny tenin’ANDRIAMANITRA no navaliny azy. Fa tsy ny teniny akory. Nandray tenin’ANDRIAMANITRA foana IZY.

Ny tiana ho lazaina eto tsy ilay fahaizana « verset biblique » tsianjery akory an, tsy izany ! Fa izao, ny fananana an’i JESOSY maharitra ao anatinao. Ka rehefa tonga ny fakam-panahy, JESOSY no avoakanao. JESOSY ataovy ao aloha. Hoy anie ny devoly hoe : « mianjerà ery ianao, fa tsy olanao izany JESOSY a, efa voasoratra anie fa JEHOVAH ANDRIAMANITRA handefa ny anjeliny hiaro anao amin’ny fahavalonao. » Mahafinaritra ery ilay « verset biblique ». Ary io « verset biblique » io ihany, io ihany no amitahan’ny devoly anao raha tsy mitandrina ianao. Be dia be anie ny mpanompon’ANDRIAMANITRA tratran’izay e ! Latsaka ao anaty fakam-panahy.

Faharoa, mitandrina ny asa hatramin’ny farany. « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apokalypsy 2:26) Ka inona indray no tadiavinao mihoatra izany ? Ao amin’ny jentilisa koa anie ny « pouvoir »-nao e ! Tsy hoe izay mitandrina ny asa teo amin’ny 35 taona an, sao dia hoe efa vita izany JESOSY a, efa mba « grade » kosa anie izany e, tsy efa mba ohatra an’izay kosa ve e ! »

Izay mitandrina ny asako hatramin’ny farany, mila fitandremana ry havana, ny asan’ANDRIAMANITRA ; Dia homeko fahefahana amin’ny jentilisa. Ho avy ny fotoana, hoy i Paoly hoe «  mbola hitsara anjely anie isika e ! »

Ho avy ny fotoana, ny fakamparam-badin’ny ZANAK’ONDRY, fa raha tsy mandresy ianao, aza manantena ny hiakatra !

Omaly, dia hoy ilay mpanompon’ANDRIAMANITRA hoe : 1mn fotsiny dia nikipy ny mason’ilay mpanan-karena teto amin’izao tontolo izao, tamin’ny fahavelomany, fa vetivety teo dia nihiratra tany amin’ny helo e ! Hein ! henjana be mihintsy izany ! Mifanohitra amin’izany anefa ny iray, nikipikipy teto, fa nihiratra tany amin’ny fiainana mandrakizay.

Fahatelo farany, hoy ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe : « Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? » (1 Jaona 5:5)

Misy ny olona te hivavaka, fa tsy mety mandray an’io JESOSY io izy. Te hanompo an’ANDRIAMANITRA ihany, fa tsy mety manaiky an’io JESOSY io izy. « Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. » (Romana 10:10) MANDRAY, MANAIKY, ary MANKATO. Be dia be ny olona no mahay « verset biblique » fa tsy mankato ny tenin’ANDRIAMANITRA. Feno izany eraky ny fikambanana kristianina, feno izany eraky ny fiangonana, eraky ny tokatrano…Fa androany raha te ho mpandresy ianao, dia lazain’ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe mankatoavà ny tenin’ANDRIAMANITRA. Fa na ho fenoinao « verset biblique » aza ny efitranonao, nefa tsy mankato ianao, very maina ny fantsika sy ny tady hananantonanao izany. Ary indrindra indrindra, roahy ny devoly, hoy i Paoly izay hoe : « Aza manome fitœrana ho an'ny devoly. » (Efesiana 4:27) Matoa i Paoly niteny izany dia izao : ny devoly anie, mitady toerana e, fa tsy iangaviana haka toerana e ! Tadidio izany, mitady isan’andro isan’andro. Ka raha hoy ianao hoe mandrosoa dia mipetrapetraha, dia hoy izy hoe misaotra betsaka, inona no sakafo azo hiarahan-komana ? Dia miara-mihinana ao tokoa ianao ! Fa hoy JESOSY hoe : « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » (Apokalypsy 3:20)

Hoy ny tenin’ANDRIAMANITRA hoe : angaha tsy fantatrareo fa raha misy olona tafaray amin’ANDRIAMANITRA dia Fanahy iray AMINY izy. Ilay Fanahy ao anatinao mihintsy anie, no entinao mandresy e, fa tsy hery, na « bôgôsité » tahaka an’i Goliata. Rehefa hitory anie ny olona sasany ka… Ampiasaina daholo ity « bôgôsité » ka, amin’izao fotoana izao moa ny fitoriana ny filazantsara feno ! mirantiranty ny sary sy ny « publicité », manja anie izany sary izany e ! Fanontaniana mipetraka dia izao : MANAO AHOANA NY TOE-PANAHIN’NY MPITORY ??? Fa sao dia ho resy ianao ; raiso JESOSY androany ! Mba ho fandresena ho anao. 35 taona izay no vita, ny 35 taona manaraka ? Raha vao avelanao an-jorom-bala JESOSY dia tadidio fa manomboka eo ny faharesentsika.