"...mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy ; mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy."Efesiana 4 : 13-15
Nous avons 3 invités en ligne
Vatsim-panahy
Tiava an'i Jehovah ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. Mahereza ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Jaona 14. 27 :« Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. »
Kolosiana 3.15 :« Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. »
Ny fiadanana no tena harena sarobidy amin’ny fivavahana kristianina. Tsy zavatra ety ivelany fa ao anaty. Tsy mitovy amin'ny omen’izao tontolo izao tahaka ny fiarovana isankarazany.
Ohatra : Raha nandeha niampita ny farihy Jesosy sy ny mpianatra ; ny maha-samihafa azy ireo dia :
- Jesosy natory. Milamina eo anatrehany zavatra mitranga. Io harena io dia ny fiadanana izay tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao, izay misy zavatra mikorontana maro sy mampitebiteby.
- Ny mpianatra : very hevitra, very fanantenana, mikorontan-tsaina...